- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVonoan’olona Mausolée : Misy mikotroka ny hamoaka ilay tovolahy

Vonoan’olona Mausolée : Misy mikotroka ny hamoaka ilay tovolahy

Loharanom-baovao akaiky ny fianakaviana no nahafantarana fa mailo izy ireo ankehitriny ny amin’ny mety hamoahana am-ponja ilay tovolahy nahavanon-doza, namono an’i Nanah. Nisy olobe, avara-pianarana, henon’izy ireo mantsy fa miketriketrika an’izany ankehitriny. Manoloana an’izany dia nametraka taratasy teny anivon’ny manampahefana ny fianakavian’ny maty mba hijerena akaiky izany, na dia mbola siosio aza no mandeha. Raha ny fantatra dia taratasy tsy fahazoana mamoaka ny fonja sy tsy fahazoana mivoaka ny tanindrazana no tena nangatahin’izy ireo. Isan’ny endrika iray tena fanararaotan’ny voafonja mitsoaka ny fitondràna azy ireo eny amin’ny toeram-pitsaboana matetika. Tsy mandeha amin’izao anefa izany fa efa maty paika tanteraka. Amin’ity raharaha ity dia manahy ny mety hisian’izany ny olona akaiky ny maty ka nametraka ny taratasy mialoha.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser