Voarohirohy amin’ny vonoan’olona no antony nisamborana azy. Mpitondra fivavahana ao amin’ny fiangonana iray tao Alatsinainy-Imerimandroso no voakasik’izany ary ny mpiasany ihany niharan’ilay famonoana izay nitarika ny fahafatesany. Raha ny fanazavana azo dia resaka halatra madinika no nitarika ny hatezeran-drangahy. Nangalatra kafe ilay tovolahy ary vokatr’izany dia vely kobay teny amin’ny lohany avy hatrany no valiny. Rehefa ratsy ny fandehan-javatra dia nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra kanefa tsy avotra intsony noho ny fahavoazan a mafy loatra nanjo azy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana dia nisy ny fanilihana ny heloka ho tany amin’ny fokonolona. Tezitra ny olona vokatr’izany ary indrindra koa noho ny fahafantaran’ireo fa tsy vao voalohany no namono mpiasa toa izao ity mpitarika fivavahana ity. Raha ny fanazavan’ny zandary dia anio no hatolotra ny fampanoavana ilay rangahy izay ahiana ho nahavanon-doza. Misy olon-kafa miisa roa izay voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy amin’ity raharaha ity. Izy ireo no indray henoin’ny fampanoavana izany.
D.R