Tamin’ny alatsinainy teo no nalefa any Frantsa ny vatamangatsiak’i Romain (25 taona) sy Magalie (23 taona) izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany Sainte Marie ny alin’ny 20 hifoha 21 aogositra lasa teo. Hatramin’izao, olona sivy no fantatra fa nohenoin’ny mpanao famotorana avy amin’ny zandarimaria ary notazonina tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana. Anisan’izany ilay teratany frantsay niasa tao amin’ny Cétamada. Ity farany ity moa dia voalaza fa anisan’ny sakaizan’ilay vehivavy maty. Ho an’ny mpanao famotorana dia tazonina izy satria ahiana ho atidoha nikotrika izao famonoana izao. Hatramin’izao aloha, tsy nisy nipika ny famotorana nataon’ireo zandary gasy nampian’ireo zandary frantsay roa tonga any an-toerana. Tsy maintsy hajaina ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana, hoy ny komadin’ny zandary any Toamasina.
Nangonin’i r.s.