Niala tao Ambovombe ny zoma 01 mey tokony ho tamin’ ny enina ora hariva niaraka tamin’ ny fiarany Mazda BT-50 i Soja Tovondahy. Niala teo amin’ny 18 km izy no nisy nitifitra ka maty tsy tsa-drano. Izy ihany no notifirina fa ny olona maro tao anaty fiara tsy nisy naninona na ny iray aza. Raha ny filazan’ny fianakavian’ny maty dia vola dimy alina sy firavaka volafotsy ary finday no nalain’ireo olon-dratsy. Ny alin’iny ihany dia nisy ny fanarahan-dia izay nataon’ny zandary sy ny fianakavian’ny maty. Nisy vokany izany satria ny ampitson’iny, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, dia nisy dimy lahy sarona tao an-tranony ary notazomina avy hatrany. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia mbola nanonona anaran’olona hafa indray ireo voasambotra. Nosamborina koa ireo ary mbola nahitàna basy lava tsy nisy taratasy tao an-trano. Nogiazan’ny mpanao fanadihadiana ny basy ary notazomina sy natao fanadihadiana koa ilay lehilahy. Andro vitsy taorian’izay dia nilaza ny fianakaviana fa navotsotra ilay olona izay tena ahian’izy ireo ho atidoha nikotrika ny vonoan’olona. Ankoatra izay aza dia nandre koa ny fiankavian’ny maty fa noezahina nesorina avokoa ny vesatra ara-pitsarana nanenjehana ilay olona voakasika mba nahafahana namotsotra azy. Mitaraina izy ireo ankehitriny ary mangataka mba handeha araka ny tokony ho izy ity raharaha famonoana ny havany ity.
D.R