Ny alarobia telo no nampidirina am-ponja ao Ambalatavoahangy izy. Io farany dia zandary kilasy voalohany izay voarohirohy tamin’ilay raharaha fanafihana mitam-piadiana niseho tao Bazary Kely Toamasina ny 29 oktobra 2024 lasa teo. Io fandrobàna io dia namoizana olona iray, ramatoa 53 taona mpivarotra mpambongady momba ny kojakoja plastika no maty voatifitra teo amin’ny lohany. Anisan’ny lasan’ireo jiolahy ny findainy tamin’io fanafihana miaro famonoana azy io. Io fitaovam-pifandraisana io indrindra no isan’ny nandehanan’ny fanadihadiana ka nahavoarohirohy ilay zandary. Hita tamin’ny mpivarotra finday tao Ambolomadinika ilay finday taty aoriana. Rehefa izany dia voatonona ny anaran’ilay zandary izay nivarotra izany tamin’io mpivarotra io. Tsy afa-niala satria nitohoka tamin’ny tenda ny porofo avy amin’ny alàlan’ny « réquisition téléphonique » izay nisy ny resaka nifanaovana sy ny hafa koa. Hatramin’ny vola nipetraka tao anaty finday aza hita ny laharana nanodinana an’izany ary dia mbola tsy afa-niala ihany ny tompon’antoka. Noraisin’ny mpitsara mpanao famotorana an-tànana avokoa izany porofo izany ary nahatonga ny famonjàna vonjimaika ilay zandary. Niakatra fampanoavana ny alarobia teo ny raharaha ary nisy olona telo hafa koa MD noho ilay fanafihana sy vonoan’olona niniana. Maromaro ny zandary migadra ao amin’ny fonjaben’i Toamasina ankehitriny. Hatramin’ny faramparan’ny taona 2024 dia efa ho fito izay no MD ao. Nisy ny voarohirohy tamin’ny raharaha tsy fandriampahalemana, nisy ny voatazona noho ny raharaha fanondranana hazo sarobidy ary ny farany indrindra dia io voantantara etsy ambony io. Raha izao angamba no mitohy dia efa hisy « poste avancé » kely hiforona ao Ambalatavoahangy.
D.R