- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona teny Manandriana : Lehilahy iray nosamborin’ny zandary teny Andramasina

Vono olona teny Manandriana : Lehilahy iray nosamborin’ny zandary teny Andramasina

Ilay lehilahy tratran’ny zandary.

Roa volana latsaka aty aoriana! Lehilahy iray heverina ho atidoha nikotrika ny famonoana ireo mpivady teny Manandriana, no nosamborin’ny zandary teny Andramasina ny faran’ny herinandro teo. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary misahana ny ady heloka bevava nahafantarana ny misy azy ity. Voampanga ho namono sy nikotrika ny famonoana mihitsy ingahirainy ary izao voasambotra izao, ka hanaovana famotorana sy hatolotra ny fitsarana tsy ho ela. Raha tsihivina, olona roa mivady no hita faty tao an-tranony ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana , ny 11 novambra lasa teo. Fantatra fa efa andro vitsy lasa no namonoana ireto mpivady ireto, satria efa somary simba ihany ny razana raha ny fahitana azy. Tsy mbola fantatra mazava moa hatreto ny tena zava-nitranga fa eo am-panaovana fanadihadiana tanteraka ity tratra ity ny zandary mandray an-tanana ny raharaha. Voalaza fa mpanampy tao an-trano ity lehilahy ity. Mazava ho azy fa mipetraka amin’io mpanampy io ny ahiahy satria izy no tokony nampandre voalohany ny mpitandro filaminana rehefa nahita ireo razana tao an-trano. Andrasana noho izany ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici