Efa nanomboka ny asabotsy teo no tsy nody tao an-tranony ilay mpitandro filaminana. Tetsy Masay, nisotrosotro niaraka tamin’ny namany izy no hita farany.
Hatreto, raha ny fihevitry ny manampahaizana, dia in-droa miantoana ny fomba namonoana an’ilay “agent de police de 2e classe” tetsy Ambohimailala. Nogoahina tamin’ny zava-maranitra ny lohany ary nahitàna dian-kenda ihany koa ny vatany. Izany hoe na notsatohana vy aloha ny lohany dia torana izy ary nokendaina nony avy eo mandram-pialan’ny ainy. Na koa ny mifamadika amin’izay, nokendaina ary mba hahafaty azy dia nampiana daroka tamin’ny vy maranitra teo amin’ny lohany. Mbola eo am-pandinihana momba izany ny pôlisy misahana ny heloka bevava na BC, miankina betsaka amin’ny valin’ny fitiliana nataon’ny dokotera. Raha ny fantatra momba iny raharaha iny dia mbola niaraka teny Masay aloha ireo olona izay hita faty ireo. Teny izy ireo no nisy nahita farany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Momba ilay pôlisy,izay miasa eo anivon’ny sampana informatika sy teknika etsy Anosy dia nanomboka ny asabotsy teo izy no tsy hita. Nanatona ny pôlisy teo anivon’ny BC ny fianakaviany manoloana an’izany. Ny toeram-piasany ihany koa dia nanao fampahafantarana ny amin’ny tsy nahitàna azy nefa tsy nampandre ny toeram-piasany (avis de non presence). Hatreto dia mbola tsy nanambara ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny mety ho anton’ity vonoan’olona ity. Ny olon-tsotra kosa no naneho ny heviny fa mety ho lonilony sy fialonana na koa nisy nokasaina hovonoina tanteraka ny iray tamin’izy ireo dia tsy maintsy novonoina ihany koa ny ambiny ,satria mety ho lasa vavolombelona (témoin génant) ny amin’ny zava-nitranga. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny pôlisy tompon’andraikitra amin’ny fanadihadiana heloka bevava ankehitriny. Tsiahivina fa fanindroany izay no nahitàna pôlisy maty teo amin’iny toerana iny. Vao tsy ampy herintaona koa mantsy izay no nisy ilay iray izay novonoina dia natsipy teo an-toerana, niaraka tamin’ny namany lehilahy iray. Lasa toeran’ny heloka bevava arak’izany Ambohimailala,izay tsy vitsy ny olona mandeha eny an-toerana ny maka rivotra rehefa faran’ny herinandro. Sady milamina no tsara rivotra noho izy ambony toerana. Dia izany filaminana izany anefa no toa lasa manamora ny fanariana faty eny an-toerana…
D.R