- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAntoko Vonjy Iray Tsy Mivaky : Vonona handray anjara amin’ireo fifidianana rehetra

Antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky : Vonona handray anjara amin’ireo fifidianana rehetra

Ramatoa Razanabahiny Francette, filoha nasionalin’ny Antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky.

Amin’ny maha zanak’i Vangaindrano azy dia tonga nanome voninahitra ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona nokarakarain’ny Fikambanan’ny Zanaky ny Faritra Manambondro (FIZAFAMA) ny 1 aprily lasa teo ny filoha nasionalin’ny Antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky, Ramatoa Razanabahiny Francette. Fotoana nanararaotany niresahana ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny momba ireo fifidianana izay ho karakaraina eto amin’ny tany sy ny firenena ho avy izao. Nambarany tamin’izany ary fa tsy maintsy ary efa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana solom-bavambahoaka sy ny fifidiana ben’ny tanàna ho avy izao ny Antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky. Hanolotra kandida amin’ny anarany ny Antoko, raha ny fanazavany, fa tsy hiara-hiasa amin’ny Antoko hafa na hiditra ao anatina vovonana politika hafa. Mahakasika ny fangatahan’ny FIZAFAMA izay hananganana ny distrikan’i Manambondro indray dia nilaza ity filohan’ny Vonjy Iray Tsy Mivaky ity fa manohana izany fangatahana izany satria dia midadasika ny distrikan’ny Vangaindrano, ka hanamora ny fampandrosoana ireo kaominina maro any amin’iny faritra iny raha voavaly izany fangatahana izany. Izany fangatahana izany tokoa manko dia mifanaraka amin’ny tanjon’ny Antoko Vonjy Iray Tsy Mivaky dia ny fampiraisam-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana tena.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Déblatérer contre une décision de justice s’apparente à faire des plans sur la comète.
    Ils ne sont pas rares les opportunistes en recherche de marocain à saisir pareille occasion pour se faire valoir ou faire valoir leur être et leur avoir avec angélisme.
    Sauf erreur ou éclipse de mémoire, La personne soutenue ici n’évolue pas dans la
    cour de pauvreté. Les accointances avec l’Élysée-palais en témoignent.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici