11 andro taty aoriana, nisian’ity tranga famonoana olona feno habibiana ity, teny Vontovorona teny, dia nanambara teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo fa voasambotra ny tompon’antoka : tovolahy iray, izay voalaza fa nanana lonilony tamin’ity mpiandraikitra skoto ity.
« Tsy mamaly azy i Cheftaine rehefa noharabainy ka nandrisika azy hangalatra tao aminy (…)». Ny andron’ny 7 oktobra lasa teo, nitranga vono olona mahatsiravina teny Vontovorona. Vehivavy iray mipetra-drery fantatry ny maro amin’ny hoe Cheftaine Aimée no hita faty tao an-tranony. Ankoatry ny famonoana ity mpiandraikitra ity anefa dia sady norobaina ny tranony ary nentin’ireo izay nahavanon-doza ireo zavatra sarobidy tao aminy. Tamin’io fotoana io dia nambara fa nosemporin’ireo olon-dratsy tamin’ny ondana izy. Rehefa nandeha anefa ny fanadihadiana sy ny fitsirihana ny razana dia fantatra fa tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ny namonoana azy, hoy ny zandary. « Tsatok’antsy miisa folo no hita teny aminy, teo amin’ny lohany, ny tendany, ny tratra ary ny lamosina. Notsentsenana « chiffon jaune » ny vavany ary avy eo nosemporina tamin’ny ondana izy mandrapaha-tapitra ny ainy »
Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny alalan’ny fanokafana ny fanadihadiana hikarohana izay nahavanon-doza ireo mpitandro filaminana ka io nivaly roatokom-bolana taty aoriana io. Mpiara-monina aminy izy io, hoy hatrany ireo mpanao fanadihadiana ary zavatra tsy nisy dikany, tsy famaliana ny fiarahabàny no nanosika azy hanao izay habibiana tsy roa aman-tany izay. Tamin’ny fotoana nisamborana ity tovolahy ity dia hita teny aminy ny sac « banane », finday miisa roa, « power bank » roa ary briquet an-dratompokovavy, raha ny vaovao azo hatrany. Niaiky ny heloka vitany rahateo moa ny lehilahy tao anatin’ny famotorana azy. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana avy hatrany ity lehilahy ity, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L




