Dia toy ny mahazatra hatrany, nifandona indray ny Emmo Reg sy ny mpianatra omaly maraina teny Vontovorona. Vokany, mpanao gazety no voan’ny torabato, mpianatra iray kosa no nosamborina.
Nanomboka tamin’ny 7ora sy sasany tany ho any no nanomboka ny fitokanana nataon’ireo mpianatra pôlyteknika eny Vontovorona omaly. Raha ny fanazavana nomen’ny solontenan’izy ireo dia nanomboka nivory tao anatin’ny faritry ny Oniversite izy ireo. Taorian’izay anefa dia tapaka fa hidina an-dalam-be mihitsy. Doro kitay sy kodiarana, fanakanan-dalàna, miampy kotaba sns … toy ny mahazatra hatrany, no nentin’izy ireo maneho izany fitakiana izany. Tokony ho fotoana fohy taorian’izay no tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo Reg, nandamina. « Rehefa nifanaiky izahay sy ireo mpitandro filaminana dia tapaka fa hajanona ilay fidinana an-dalam-be fa tsy hivoaka ny faritry ny sekoly izahay », hoy hatrany ity solontenan’ny mpianatra ity. Na izany na tsy izany anefa dia niatrana tety ivelany ihany ireo Emmo. Tao anatin’izany rehetra izany no nangataka mpanao gazety ireo mpianatra, hanazava izay tian’izy ireo hotakiana. Raha mbola teo am-panaovana ny asany anefa ny mpanao gazety no nandrivorivo avy any ny tora-bato ka nahavoa ny namana iray sy nandratra azy teo amin’ny sofiny. Raikitra ny sakoroka. Tora-bato etsy andaniny, nirefodrefotra ny baomba mandatsan-dranomaso etsy an-kilany, hanaparitahana ireo mpianatra. Naharitra fotoana elaela teo izay. Tetsy andanin’izay, tsy maintsy niroso tamin’ny fisamborana ireo mpitandro filaminana. « Tsy maintsy mandray fepetra izahay, mba hiverenan’ny filaminana fa indrindra ihany koa fiarovana ireo olona manodidina amin’ny fanakorontana », hoy ny tompon’andraikitry ny Emmo tonga teny an-toerana. Mpianatra iray no fantatra fa nentin’ireo mpitandro filaminana tamin’io fotoana io. Noafahana ihany anefa izany, ora maromaro taty aoriana. Nilamina tanteraka ny teny an-toerana, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta. « Na dia teo aza ny fifanekena ny tsy hisian’ny korontana sy herisetra dia tsy maintsy misy ihany ireo ankizy tsy voafehy. Koa mitondra tanteraka ny fialan-tsiny ny amin’ny faharatràn’ilay mpanao gazety izahay », hoy i Antonio, filoha lefitry ny mpianatra eny an-toerana. Nilaza moa ity farany fa nijanona hatreo aloha ny hetsika. Marihina fa mbola resaka fitakiana vatsim-pianarana no fototr’ity sakoroka teny Vontovorona ity omaly.
m.L