- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversVontovorona : Lehilahy maty nokendaina sy natsipy tanaty rano

Vontovorona : Lehilahy maty nokendaina sy natsipy tanaty rano

Vono olona mahatsiravina no nitranga teny Vontovorona omaly maraina. Lehilahy manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty tanaty rano teny an-toerana. Nahitana ratra teo amin’ny lohany ary faritra mangana teo amin’ny tendany sy ny fihirifany. Ny fizahana nataon’ireo tompon’andraikitra no nahafantarana fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy ity ary natsipin’ireo mpamono tanaty rano ny fatiny nony avy eo. Omaly maraina no nisy nahita natsingevan’ny rano ny vatana mangatsiakan’ity lehilahy ity. Ireo mpiantsena vao maraina no nahatsikaritra zavatra hafahafa tanaty rano. Rehefa nantsoina ireo tompon’andraikitra teny an-toerana dia fantatra fa olona ity mitsingevana ity ary nosarihana teny amoron-drano. Fantatr’ireo mponina avy hatrany ilay tovolahy satria dia mponina eny an-toerana ihany ary efa ho andro maromaro no tsy nody tao an-trano raha ny fampitam-baovao azo. Io omaly maraina io izy no hita faty tao anaty rano. Tsy isalasalàna, hoy ireo tompon’andraikitry ny filaminana fa nisy namono ity lehilahy ity. Novelesina tamin-javatra ny tarehiny ary nodarohana ny lohany. Tsy vitan’izay fa mbola nokendaina tamin’ny lamba tendany. Marihana, hoy ny fampitam-baovao hatrany fa tsy nahitana n’inona n’inona intsony tany aminy. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana. Nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona ity kosa ireo mpitandro filaminana eny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici