- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversVontovorona : Mitaky ny fampiakarana ny vatsim-pianarana

Vontovorona : Mitaky ny fampiakarana ny vatsim-pianarana

Nidina an-dalana indray ny mpianatra teny Vontovorana, omaly maraina. Antony, nitaky zavatra maromaro izy ireo ary anisan’izany, araka ny re teny an-toerana, ny hmpiakarana ny vatsim-piananrana sy ny fampitaovana ho 100%. Ankoatra izany, maro ihany koa ny zavatra notakian’ireto mpianatra ireto, anisan’iany ny “internet” haingam-pandeha, ahazoan’izy ireo miatrika ny rafitra LMD. Ankoatra izany, nangataka koa izy ireo ny tokony tsy hampiakarana ny saran-dalana efa nahazatra azy ireo, izany hoe, 300 arairy avy eny Alakamisy sy Vontovorona. Nikatra ho 400 ariary mantsy izany amin’izao fotoana izao. Tamin’izany fitakiana nataon’ireo dia nofeheziny tamin’y sakan-dalana izany. Nisy ny kodiarana nodorana teo afovoan’ny arabe. Teo antrehan’izany, tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny Emmo-Reg. Nisy ny dinidinika teo amin’ny roa tonta, ary dia voalaza fa nijanona hatreo aloha ny omaly. Re teny an-toerana kosa anefa fa tsy hijanona izany fitakiana izany raha tsy mahazo valiny mahafa-po ny mpitaky. Mbola hitohy anio ny hetsika, hoy ireo mpitarika ny fitakiana.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser