- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversVontovorona : Mpianatra hita faty tao amin’ny CUR

Vontovorona : Mpianatra hita faty tao amin’ny CUR

Tovolahy iray manodidina ny 28 taona no hita faty teny akaikina tranona mpianatra iray tao amin’ny CUR Vontovorona, omaly vao maraim-be. Hatairana avokoa ny an’ireo mpianatra nahita ity tranga tsy dia fahita loatra ao amin’ny faritry ny Oniversitén’i Vontovorona ity. Tovolahy mpianatra iray mantsy, zara raha mitafy, kilaoty kely monja  no hany sisa teny an-kodiny, no hitan’ireo mpianatra nitambokona teo amoron-dalana, ary efa tsy nisy aina intsony. Nikoropaka avy hatrany ireo nahita niantso an’ireo mpiambina an’ity Oniversité ity. Ireto farany indray avy eo no niantso ny mpitandro filaminana ho eny an-toerana. Tamin’ny fizahana natao no nahalalàna fa efa vatana mangatsiaka sisa ny an’ity tovolahy ity. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava izay tena nahazo ity tovolahy ity, izay marihina fa vao avy nahavita ny fianarany tamin’ny herintaona. Nisy namono na namono tena ? Ny filazan’ireo teny an-toerana, dia toa nahenoana fifamaliana tao amin’ny trano nisy azy, ary heno mihitsy aza ity tovolahy ity, nilaza ny hoe handeha hamono tena. Ary dia izao izy hita faty izao. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana. Tsy misy afa-tsy ny vokatr’izay ihany no ahalalana izay tena marina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici