Vehivavy iray no fantatra fa nanomo tena teny amin’ny toeram-piasany eny Vontovorona ny alatsinainy teo. Araka ny loharanom-baovao dia nihinana “chloroquine” marobe ity olona ity. Nisy taratasy napetrany ihany koa teo ambony latabatra. Tao anatin’izany no nahalalana fa nanomo tena izy, noho ny resaka fitiavana. Nosavaina ny kitapony ka mbola hita tao ny fonosana fanafody nohaniny ary mbola nisy ambiny aza izany.
Io alatsinainy, gaga ny mpiara-miasa taminy fa tsy mbola nifoha izy na dia efa fotoana fifohazany aza. Nandeha nojerena tao amin’ny efitra ka io izy efa tsy nisy aina intsony hita nivalampatra.
Fambola vokatry ny famoizam-po amin’ny fitiavana, fantatra koa fa tovovavy iray no nanandrana namono tenya atria nilaoazan’ilay lehilahy nahabevohoka azy.
r.s.