Raikitra indray ny sakoroka rehefa nigrevy ny mpianatra eny amin’ny oniversite polyteknika etsy Vontovorona. Nivoaka teny amin’ny làlana sady nilanja sora-baventy ireo mpianatra hany ka voatery nidina an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana. Tonga teny an-toerana omaly ny zandary ary tora-bato tsy an-kijanona no nitsena azy ireo. Mahakasika izany indrindra dia nisy ny roa tamin’ireo mpitandro ny filaminana no naratra ary voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nafana ny hetsiky ny mpianatra omaly raha nitaha ny tamin’ny mahazatra. Nisy hatramin’ny « sonorisation » aza ary sady nandihy no nihira ireo teny an-dàlana. Novainy kely ny tonon-kiran’i Jerry Marcos ary nivadika ho fitakiana vatsim-pianarana ny votoatiny. Ny fitakian’ireo mpianatra dia mitovy amin’ny isan-taona ihany ary ny fisehon’ny grevy koa dia mitovy amin’izay efa nitranga tany aloha. Entina milaza izany fa tsy mety voavaha mihitsy ny olan’ny mpianatra eny amin’ity oniversite ity. Mihodidina hatrany eo amin’ny fitakiana fandoavana vatsim-pianarana ara-potoana, fanatsaràna ny fotodrafitrasa ary ao anatin’izany ny jiro sy ny rano. Nirarakopana koa ny teny mahery omaly tao anatin’ny tora-bato nifanesy. Fitondràna maro no efa niaina izany ary tsy mbola tamin’ity aloha ny vahaolana tetsy Vontovorona.
D.R