- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVovonan’ny federasion’ny olona sembana Antsirabe : Nampahafantatra ireo fenitra takiana amin’ny trano fandraisam-bahiny

Vovonan’ny federasion’ny olona sembana Antsirabe : Nampahafantatra ireo fenitra takiana amin’ny trano fandraisam-bahiny

Efa misy ny fenitra iraisam-pirenena mahakasika ny trano fandraisam-bahiny ho an’ny olona manana fahasembanana, saingy tsy mbola manana kosa isika eto Madagasikara. Na izany aza misy ireo hotely no manana sy manaja ity fenitra takiana ho an’ny olona manana fahasembanana ity. isan’izany fenitra takiana izany ny haavon’ny “comptoire”, ny halehiben’ny varavarana fidirana sy fivoahana, ny lalan-tsara sy ny trano fidiovana sy fandiovana dia misy refy tokony ho hajaina avokoa mba hahafahan’ireo olona manana fahasembanana mivezivezy sy mampiasa azy. Isan’ny mason-tsivana notakiana ireo ampahany ireo  tamin’ny tetik’asa Tomady karakarain’ny vovonana tamin’ny taona lasa. Fifaninanana ho an’ireo trano fandraisam-bahiny manaja ireo fenitra ho an’ny olona manana fahasembanana ireo ny tetikasa Tomady. Nahatratra 42 ny mpandray anjara, saingy nisy ihany ireo niala teny am-pandehanana taty aoriana. Ho an’Antsirabe manokana, dia nisy 12 ireo trano fandraisam-bahiny no nandray anjara tamin’ity hetsika ity. Ny Hotel des Thermes no nahazo ny laharana voalohany ka natolotra ny alakamisy 11 Aprily teo ny amboara.

Araka ny fanazavana nomen’ny tale mpanatanteraka ny vovonan’ny federasion’ny olona manana fahasembanana eto amin’ny Nosy, Atoa Radafiniantsoa Josoa Robinson dia toerana telo lehibe eto amin’ny Nosy no niasan’ny tatikasa tomady, Antananarivo, Toamasina ary Antsirabe, ny CBM kosa  no mpamatsy vola ity tetikasa ity.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici