- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-Divers« Voyage d’études » : Mpianatra iray maty tsy tra-drano, nivadika in-droa...

« Voyage d’études » : Mpianatra iray maty tsy tra-drano, nivadika in-droa ny fiara

Nandeha mafy tao anatin’ny fiolahana. Nivadika in-droa ny fiara marika Sprinter izay an’ny koperativa Sotrate  nofain’ny Lycée Technique Professionnel (LTP) iray teto an-dRenivohitra. Teo amin’ny PK 130+700,  mifanandrify amin’Ankazobe, teo amin’ny toerana izay antsoina hoe Soamahamanina no nitranga ny loza. Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray 19 taona.  Tafavoaka taty ivelany ary voatsindrin’ilay fiara io farany. Naratra kosa ny 11 ambiny izay nentina avy hatrany tao amin’ny hopitalin’Ankazobe. Ny alin’ny alarobia, manodidina ny tamin’ny valo ora, no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitalin’Ankazobe ireo naratra rehetra. Omaly izy ireo dia efa samy afaka namonjy ny fodiana avokoa. Saika hihazo an’i Mahajanga ireto mpianatry ny lycée izay hanao « voyage d’études » ireto. Matetika itrangan’ny loza eo Ankazobe. Tadidin’ny maro ny fisesin’ny fiara fitaterana; izay nitondra mpanao zaikabe  nivadika teo an-toerana ary nahafatesana olana maro. Malaza ratsy Andrafeno-Sud, miainga eo amin’ny PK135 sy ny manodidina azy izay misy tetezana matetika itrangan-doza. Tsara  faran’izay tsara ny làlana mialoha an’io tetezana io kanefa misy fiolahana tampoka ary tetezana ny aorian’izay. Mitera-doza matetika izany eo an-toerana, indrindra ho an’ireo mpamily izay tsy za-dàlana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici