
Nandritry ny fitetezam-paritra tany Bongolava no niseho ny olana. Nisy nitoraka tamin’ny tavoahangy labiera ny mpanakanto Wawa ary naratra teo amin’ny sofina. Tao Belobaka, raha ny marimarina kokoa, no nitrangan’izany. Voatery nanajanona ny fampisehoana izy, isan’izany ny tokony natao ny asabotsy teo. « Efa nisy ny fifampiresahana sy fifandaminana tamin’ny mpikarakara ny seho » raha araka ny fanazavan’i Wawa izay hita tamin’ny tambajotra sosialy. Voatery nanaraka fitsaboana mantsy ny lehilahy, raha ny fanambarany. Isan’ny zava-dehibe ary tsy azo hamaivanina ny fiarovana ny mpanakanto rehefa misy fampisehoana hatao. Matetika ny mpanomana dia variana amin’ny fiarovana ny toerana hanaovana hetsika ary hadino ny an’ny artista. Any ivelany dia manana mpiambina manokana 24ora/24ora ny mpanakanto malaza. Eto amintsika mbola mahalana izany satria mbola tsy indostria loatra ny fampisehoana hatreto ary hanahirana ny hanakaramana mpiaro. Ny sasany aza mbola mandeha an-tongotra mody rehefa avy manao « cabaret » na koa fampisehoana…
D.R