- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« World Cleanup Day » : Nanadio tanàna teny Ankorondrano ny Lions Clubs-Zone 13

« World Cleanup Day » : Nanadio tanàna teny Ankorondrano ny Lions Clubs-Zone 13

Fanadiovana ny tanànan’Ankorondrano sy ny manodidina azy no nentin’ny Lions Clubs International, Zone 13 nanamarika ny andro maneran-tany ho an’ny fanadiovana, na « World Cleanup Day » ny sabotsy teo. Ny fokontany Andranomahery sy Tsaramasay no niara-niasa sy nifanolo-tanana tamin’izy ireo tamin’izany. Ankoatra ny asa fanadiovana, nanentana ireo mponina mba hanadio sy hikajy ny fahadiovana ihany koa izy ireo tamin’izany. Fa ankoatra izay, dia mbola manampy ny olona sahirana eny an-toerana ihany koa ny Lions Clubs, zone 13. Tafiditra ao anatin’izany ny fandefasana olona hanao fizahana nify maimaimpoana eny amin’ny fokontany Ankorondrano. Nomarihin-dRtoa Hasina,  filohan’ny Lions Clubs International, Zone 13 eto Antananarivo, fa mbola mitohy isaky ny sabotsy ny fizahana nify maimaimpoana ho an’ireo olona sahirana eny an-toerana.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici