- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversZah’Gasy : Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy

Zah’Gasy : Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy

Omaly no natolotra ny fampanoavana i Navandahy Jean Harison sy ny mpiambina manokana azy  roa; izay antsoina hoe Dina sy Manambina. Nivoaka ny didy famonjana vonjimaika azy ireo ary samy nidoboka am-ponja eny Tsiafahy izy telo lahy. Azo heverina, fa mifandraika amin’ny fahafatesan’ny olona iray izay voalaza ho nodarohan’izy ireo ity fanapahan-kevitry ny mpitsara mpanao famotorana ity. Nodimandry ny alin’ny alakamisy teo mantsy ilay lehilahy noho ny vono sy daroka niniana. Raha efa nandeha ny fihainoana ireo olona voakasiky ny raharaha teny Anosy, natao kosa ny fitsirihana ny razana na ny « autopsie » tetsy amin’ny tranom-patin’ny Hjra. Mety misy nifandraisany ny valin’izany tamin’ny fanapahan-kevitra izay noraisina tetsy Anosy, ary  avy hatrany dia eny Tsiafahy no nidoboka. Raha araka ny fantatra, dia amin’ny 13 jiona hoavy izao no hatao ny fanadihadiana ifotony azy telo lahy noho ny vono sy ratra niniana natao. Samy manana ny filazany mahakasika ity raharaha ity. Nisy ny nilaza ny fisian’ny olona niaraka tamin’ny kara-pifidianana sandoka izay saika hifidy teny Ambohimitsimbina, raha araka ny fiarovan-tenan-dry Zah Gasy. Nisy nampandre ny momba izany izy ireo ary nandeha môtô nanenjika teny an-toerana raha niainga avy eny Ambohipo. Raha araka io fanazavana io ihany, dia efa tsy nahatratra azy ireo intsony rehefa tonga teny. Dia misy koa anefa ny feo iray hafa izay mandeha, fa nianjera ny olona iray teo am-pandosirana raha nahita azy ireo. Dia io no tratra farany ka niharan’ny daroka. Marobe arak’izany ny siosion-dresaka momba ity raharaha ity. Na izany aza, dia voamarina ny fisian’ny fahafatesana izay vokatry ny ratra nahazo ny olona iray. Nitory ny fianakavian’ilay delegem-pifidianana izay namoy ny ainy. Mpiray dia amin’ny kandidà Lanto Rakotomanga io farany. Io kandidà izay mitarika vonjimaika eo amin’ny boriborin-tany misy azy, dia nilaza fa tsy hanaiky mora foana ny zava-nitranga tamin’ny olony. Indrindra koa nitarika fahafatesana ny vokatry ny daroka natao. Mihazakazaka ny fivoaran’ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici