- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZakahely Boniface : Nisintona lakolosy amin’ny zava-misy ankehitriny…

Zakahely Boniface : Nisintona lakolosy amin’ny zava-misy ankehitriny…

Nifoha tamin’ny torimasony rehefa nangina nandritra ny taona maro ny solombavambahoaka teo aloha voafidy teo anivon’ny antoko Arema, Atoa Zakahely Boniface. Nisy koa ny fotoana nidiran’ity depiote ity am-ponja ny taona 2008 noho antony ara-politika tamin’izany. Nambaran’ity depiote ity nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao amin’ny trano fisakafoanana “l’Univers” Tanamakoa, fa tena mihemotra ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny indrindra ny fitantanan-draharaha ankapobeny izay ny praiminisitra no tompon’andraikitra amin’izany hoy izy.

Nasian’ity depiote teo aloha voafidy tao Mananara avaratra ity tsindrim-peo ny fitantanana sy ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny voalaza fa orinasa telo mifampiankina ny fanitarana an’ity seranan-tsambon’i Toamasina ity, dia fifaninanana eo anivon’ny seranan-tsambo aty afrika, ary fandaharan’asam-panjakana foibe izany fa tsy an’ny tale jeneraly tsy akory. Ankehitriny araka ny fanazavany hatrany dia manjaka ny gaboraraka sy ny kolikoly eo anivon’ny seranan-tsambo, fa raha tsy misy izay dia efa mahavelona ny firenena ny fidiram-bola misy.

Hatreto hoy hatrany Zakahely Boniface, amin’ny maha-mpandraharaha ara-toe-karena azy dia maro ny entan’ny mpandraharaha Malagasy miantsona any amin’ny seranan-tsambon’i Afrika atsimo na Maurice na ireo firenana hafa, noho ny tsy fahafahan’ny sambo lehibe hiantsona eo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina noho izy mbola latsaka ny 10m ny halalin’ny ranomasina. Notsikerany ihany koa ny fisian’ireo tale efa misotro ronono mbola misitraka ny tombotsoa rehetra ao amin’ny seranan-tsambo, hoy hatrany ity depiote teo aloha ity.

Ankoatra izay dia nokihanin’ity depiote teo aloha ity hatrany ny fitantanan-draharaha ankapobeny, fa taoanatin’ity fitondrana ity no maro indrindra ny faty olona. Tao ireo maty an-drano sy ranomasina, ny maty an-dalam-be, ireo maty tototry ny tany sy dibo-drano, ireo maty voatifitra sy nitifi-tena, ireo maty noho ny vono olona ataon’ireo asan-jiolahy etsy sy eroa; nambaran’ny ity depiote teo aloha ity fa tsy fahaiza-mitantanana eo amin’ny lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny primatiora, dia tsy ampy ny baiko sy ny toro-marika amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka sy isam-paritra.

“Tsy manohitra aho fa mba misintona lakolosy fotsiny noho ny tsy fahombiazam-pitantanan’ny praiminisitra ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny, ka lasa gaboraraka sy mirongatra ny kolikoly eny anivon’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny, hoy ny Zakahely Boniface depiote Arema teo aloha tao Mananara avaratra.   

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici