- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZANAK’ADALA : Hanome seho miavaka ao amin’ny kudeta

ZANAK’ADALA : Hanome seho miavaka ao amin’ny kudeta

Fahombiazana izay no azo amehezana ny fampisehoana Keep Thrashing tour 2023 natomboka teto Antsirabe ny Sabotsy 12 Novambra teo tao amin’ny Alliance Française. Ny groupe zanak’Adala tariaka mivohy ny mozika metaly na mozika Rock no tompomarika amin’ity “keep thrashing tour 2023 ity. Rariny raha eto Antsirabe no hanombohana azy hoy Mamy namorona ny groupe zanak’Adala satria avy eto Antsirabe izahay, saingy mila ravinahitra any ivelany ity farany ary nitondra voan-dalana lehibe dia famoahana ny Album faharoa izay tany ivelany no nikarakarana azy manontolo. 

Nosafidiana ny Thrash metal satria ity no karazana mozika metaly be mpankafia indrindra amin’izao vanim-potoana izao hoy Kaina Phily Rakoto avy amin’ny “Hafa mitsy corporation” mpikarakara fampisehoana metaly. Mifanandrify amin’ny zava misy eto amin’ny firenena rahateo ny mozika thrashing satria somary mahery vaika ity gadona rock ity.

Hanome seho tokana ao amin’ny KUDETA Carlton ny groupe Zanak’Adala amin’ny faha 18 Novambra ho avy izao hitondra ny “thrash metal”. Hanotrona azy amin’izany ny groupe SEGORA-GAMA ary DEZAKA. Aorian’Antananarivo dia mikasa hanoy ny “keep thrashing tour” any Toamasina ny Zanak’Adala.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici