- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimaria : Colonel Faly Andriamampiadana, talen’ny kabinetra vaovao

Zandarimaria : Colonel Faly Andriamampiadana, talen’ny kabinetra vaovao

DIRCABSEGVita omaly teo Betongolo ny famindram-pahefana eo amin’ny Talen’ny kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Famindram-pahefana teo amin’ny Jeneraly Razafindrasata Mamy Philippe Talen’ny kabinetra teo aloha sy ny Kolonely Andriamampiadana Faly Talen’ny kabinetra vaovao. Vonona ny hanohy ny ezaka efa nataon’ny teo aloha ity tale vaovao ity. Ary hiezaka araka izay azony atao amin’ny alàlan’ny traikefa ananany. Traikefa izay tena maro satria efa tamina fitantanana maro izy. Ary manampahaizana manokana koa mikasika ny fitaterana.Efa tale jeneralin’ny minisiteran’ny fitaterana rahateo. Manamboninahitra ambony nivoaka avy tao amin’ny andiany faha-11 ny lehilahy ka “Major de promotion” izy ary manana ny maripahaizana ambony avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Mpanolotsaina manokan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena teo aloha moa izy no izao notendrena ho Talen’ny kabinetra izao.

Anny Andrianaivonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser