Niteraka resabe ary niely eran’ireo tambajotra sosialy ity resaka ity. Mpianatra ho zandary iray, antsoina hoe Ndriantiana Antonio, no namoy ny ainy tao amin’ny hôpitaly tao Ambositra, ny alatsinain’ny paka lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandariamariam-pirenena, dia ny sabotsy 04 aprily ity mpianatra ho zandary, 30 taona ity no nitaraina fa reraka, taorian’ny fanazaran-tena nataon’izy ireo. Nalefa nanao fizaham-pahasalamana tao amin’ny toeram-pitsaboana tao anatin’ny fianarana ihany izy, ka avy hatrany dia nahazo “repos” 48 ora. Tsy nety nihatsara anefa ny fahasalamany ka voatery naiditra hôpitaly ny alatsinainy ary dia indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Iray volana mahery teo, taorian’ny fiofanana izao nahafaty ity mpianatra zandary ity. Niditra ny 01 martsa teo mantsy ny andiany faha-71, nisy an’i Antonio, tany amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena tany Ambositra. Mila hery, mila saina ary tanjaka ny miofana ho zandary sy ireo hery rehetra misy. Zava-miseho mateti-pitranga, raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandary, isaky ny misy fifaninana hiditra ho amin’izany dia manafina ny toe-pahasalamany na ny aretina mitaiza azy ireo mpiadina, amin’ny “visite medicale d’aptitude” mba hahafahany hiditra ao amin’ilay toerana. Ary dia mety hiafara toa izao ny vokany. Samy nahatadidy avokoa angamba ny rehetra mikasika ilay tranga toa, mitovy tsy valaka amin’ity seho ity; izay nitranga tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, volana maro lasa izay. Manentana ireo mpiadina araka izany ireto tompon’andraikitra mba tsy hanafina na handainga ny toe-pahasalamany, ho fiarovana ny ainy. Ny alatsinainy teo ihany no niala tany Ambositra ny razana ary naterina any Bealalana, toerana misy ny fasan-drazan’ity mpianatra ho zandary ity.
m.L