- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenana : Ezaka fampihenana ny fitohanana eto an-drenivohitra

Zandarimariam-pirenana : Ezaka fampihenana ny fitohanana eto an-drenivohitra

Ho afa-pahasahiranana amin’izay angamba ny vahoaka ! Isan’ny mampikaika ny besinimaro tokoa ny fitohan’ny fifamoivoizana nandritra ny fotoana maro, teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Indrindra fa amin’ireo lalana mivoaka kely ny renivohitra, toy ny etsy Anosizato, Ambohibao, Soamandrariny, Ankadindratombo, Andoharanofotsy, Itaosy, sns ny maro hafa. Isan’ny tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny zandarimarim-pirenena ny fanafoanana ireny fitohanana ireny, izay efa tafiditra rahateo amin’ilay ezaka fitadiavana vokatra haingana ao anatin’ny zato andro. Tsy niandry ela tokoa, ny 14 aogositra lasa teo no nanomboka izany. Tsapa ary hita mivaingana tokoa ity ezaka fanafoanana fitohanana ity. Nanomboka ny zoma lasa teo tokoa mantsy, tsy nijaly tamin’ny fitohanana lavareny izay efa mampalaza an’ireo faritra voalaza etsy ambony ireo mpampiasa lalana. Nirindra tsara ny fifamoivoizana, raha ny tatitra azo avy amin’ireo zandary. Eto dia manararaotra misaotra ireo mpiombona antoka rehetra amin’izany ezaka ataon’ny zandary izany ny zandarimariam-pirenena. Miantso ihany koa ireo mpisehatra rehetra hafa, afaka manolo-tanana, entina hanatrararana izay tanjona izay. Fa na izy ireo aza no tompon-kevitra, tsy ho efan’ny zandarimariam-pirenena samirery izay asa goavana izay, , hoy hatrany ny fampitam-baovao. Manentana ihany koa ny zandary, an’ireo mpampiasa lalana rehetra mba hanaiky sy hanaraka ny toromarika apetraka ho amin’izany. Hotohizana hatrany hatrany ity ezaka ity fa tsy hijanona akory, raha ny fanazavana azo hatrany. Dia irariana tokoa e ! Antony iray isan’ny mampitatra ny sain’ny sasantsany mantsy ny fitohanana, amin’ity fanendahana anaty fiara ity indray.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici