- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : 75 lahy nahavita fiofanana, vonona hiatrika korontana

Zandarimariam-pirenena : 75 lahy nahavita fiofanana, vonona hiatrika korontana

Vita soa aman-tsara ny alakamisy lasa teo ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo zandary avy ao amin’ny Hery vonjy taitra (Fign) nanaraka fiofanana manokana mahakasika ny fomba hitandroana filaminana na ny « maintien de l’ordre ». Dimy amby fitopolo mirahalahahy ireto zandary ireto ary afaka misehatra amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara raha misy korontana na toe-draharaha ilàna azy ireo. Izany moa dia notanterahana tao amin’ny toby fanofanana manokana ireo zandary ao Ambatolampy. Nanatrika izao famaranana ny fiofanana izao ny Komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ireo manamboninahitra eo anivon’ny zandarimaria ary narahana fanehoana fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fitandroana filaminana izany.

Nanantintrantitra ny komandin’ny zadarimariam-pirenena fa ilaina foana ny fiofanana ho an’ireo zandary mba hanovozany sy  hanamafisan’izy ireo traikefa entina miatrika ny sedra sy korontana mety hisy amin’ny filaminambahoaka amin’ny endriny rehetra, ary natao ho an’ny zandary rehetra ny fiofanana fa ireto vao nivoaka ireto aloha dia mivondrona ao amin’ny holafy faha-telon’ny zandarimaria ao Fort Duchesne avokoa.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici