- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Famindram-pibaikoana efatra sosona teny Mahamasina

Zandarimariam-pirenena : Famindram-pibaikoana efatra sosona teny Mahamasina

Lanonana ara-miaramila lehibe izay natrehan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no nentina nanatanteraka ny fifampindram-pibaikoana teo amin’ny Jeneral Ramiandrisoa Jean de Dieu, kaomandin’ny zandarimaria teo aloha sy ny Jeneraly Andrianjanaja Njatoarison, izay vao voatendry tamin’ny filan-kevitry ny minisitra ny 4 aprily lasa teo hisolo iry voalohany amin’io toerana io. Notanterahina tamin’io ihany koa ny nanolorana ny fibaikoana ny fari-piadidian’ny zandarimaria eto amin’ny faritanin’Antananarivo tamin’ny Jeneraly Rakotondrazaka Andriatsarafara Andriamitovy izay hisolo ny Jeneral Andrianjanaka Njatoarison izay lasa kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ankehitriny. Taorian’io dia nirosoana ihany koa ny fifamindram-pibaikoana teo amin’ny kolonely  Ravoavy Zafisambatra izay kaomadin’ny Vondrontobim-pileovana  Analamanga sy ny lietna-kolonely Randrianarivelo Jean Anicet, izay vao voatendry hitana izany toerana izany.  Tontosa tamin’io lanonana omaly io ihany koa ny fifamindram-pibaikoana teo amin’ny Jeneraly Rakotomahanina Florens izay kaomadin’ireo sekoly sy toeram-panofanana misy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena teo aloha sy ny Jeneraly  Andriamanana Solofonirina Maherizo izay handray izany andraikitra izany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici