- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Hanamafy ny traikefa amin’ny fiadiana amin’ny asa ratsy ara-bola

Zandarimariam-pirenena : Hanamafy ny traikefa amin’ny fiadiana amin’ny asa ratsy ara-bola

Vahiny manan-kaja roa sosona no noraisin’ny tompon’andraikitra voalohany ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randriamahavalisoa Girard, ny zoma lasa teo teny amin’ny birao fiasàny teny Betongolo. Voalohany tamin’izany ny filoha tale jeneralin’ny BFV-SG, andriamatoa Bruno Massez. Taorian’izay ny mpanolotsainan’ny masoivohon’i Rosia monina sy miasa eto Madagasikara, andriamatoa André Tchirkov. Samy nanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Zandarimariam-pirenena ireto vahiny roa tonta ireto, izay efa nisy hatramin’ny ela eo amin’ny lafiny fiofanana, fampitaovana sy ny hafa. Ho an’ity filoha tale jeneralin’ny BFV-SG ity dia hisy hoy izy ny fidinana ifotony any amin’ireo sekolin’ny Zandarimariam-pirenena hanome fanofanana ireo mpampianatra mikasika ny « sécurité et délit financier » ary ny raharaha manodidina ny resaka vola. Ho an’ity mpanolotsainan’ny Masoivohon’i Rosia eto Madagasikara ity kosa dia ny fanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ara-tafika amin’ny lafiny fampitaovana sy ny fampiofanana no nodinihina tamin’izany. Nanamafy ity vahiny ity fa hitondra ny hetahetan’ny Zandarimaria Malagasy eo anivon’ny Fanjakana Rosianina mba hijerena izay fomba mety hanatanterahana izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici