- Publicité -
lundi, septembre 22, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Ho arovana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo japoney

Zandarimariam-pirenena : Ho arovana ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo japoney

Ny alatsinainy maraina lasa teo, tonga nitsidika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, izay vao nandray ny asany, ny Jeneraly Andriamahavalisoa A Girard, tao amin’ny birao fiasany tetsy amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy, ny Masoivohon’i Japon Ichiro Ogasawara. Anisan’ny anton-dihany tamin’ity fitsidihana nataony ity ny fanamafisana ny fiarovana ireo teratany Japoney mitoetra sy mandalo eto Madagasikara, izay tsy mitsaha-mitombo ka nahatratra 50 isan-jato tato anatin’ny dimy taona farany ary indrindra ny fiarovana ireo « jeunes volontaires » ; izay miasa eto an-toerana. Nanome toky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria fa handray izay andraikitra mifanandrify azy manoloana izany ary nangataka ny fanatevenana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny alàlan’ny fanampiana ara-piofanana sy ara-pitaovana. Anisan’ny notsindrian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena manokana  ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon amin’ny lafiny fandriampahalemana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici