- Publicité -
mardi, septembre 30, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Nahazo « gilets pare-balles » avy amin’ny Sinoa

Zandarimariam-pirenena : Nahazo « gilets pare-balles » avy amin’ny Sinoa

Aron’akanjo fiarovana amin’ny bala na « gilets pare-balle » miisa zato indray no natolotra ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena omaly teny Betongolo.  Avy amin’ny firenena Sinoa ireto fitaovana ireto, ary tonga nanolotra izany  teny an-toerana ny masoivohony miasa eto amintsika Atoa Yang Min. Nandray izany fanomezana izany ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandary, ny Jly Paza Didier, sy ny Kômandin’ny zandarimariam-pirenena notronin’ireo manamboninahitra sasantsany. Fisaorana moa no nasetrin’ny Jly Paza Didier manoloana izao fampitaovana izao ary maniry ny mbola hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena sinoa sy malagasy hatrany. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana. Hiara-mahita anefa ny tsy fahampiam-pitaovana eo amin’ireo mpitandro filaminana fa indrindra ny eo anivon’ny zandariamariam-pirenena izay miezaka miady amin’ny asan-dahalo any ambanivohitra rehetra any. Noho izay indrindra ary mba hanamafisana ihany koa ny fifandraisan’ny firenena sinoa sy malagasy  no anton’izao fanomezana sy fampitaovana izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici