Notanterahana ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foiben’ny Croix Rouge International (CICR), Faravohitra, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ny amin’ny fanajana ny zon’olombelona, teo amin’ny Vokovoko mena iraisam-pirenena sy ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena ; izay nosoloin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena eo anivon’ity ministera ity, ny Jeneraly Paza Didier. Nanambara moa ity farany, fa raha ho an’ireo zandary manokana, izay eo ambany fifehezany, dia vonona tanteraka izy ireo ny hampihatra izay fanajana ny zon’olombelona izay. Voatonontonona matetika mantsy ny zandary teo aloha teo, hoy hatrany ny Jeneraly Paza, ny amin’ny fanosihosena ny zo maha-olona izay. Manomboka izao anefa ,dia tsy maintsy asiam-panovana ary nanome toky izy fa, tsy hisy intsony izany. Hampianarina ary hampidirina ao amin’ny taranjam-pampianarana dieny mbola any amin’ny sekoly ireo miaramilanay, hahay hitandro sy hanaja sahady izay zon’olombelona izay, hoy hatrany izy.
m.L


