Tontosa ny zoma teo ny lanonana ara-miaramila fanaovam-belona ny Jeneraly Randrianazary, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha izay handeha hisotro ronono amin’izay. Tonga teny an-toerana, tao amin’ny toby Ratsimandrava, ny fianakaviamben’ity vondron’ny mpitandro ny filaminana ity, isan’izany ny SEG amin’izao fotoana, ny Jeneraly Paza Didier Gérard sy ireo namany indray nihira teo anivon’ny Akademia miaramila tany Antsirabe. Nivoaka tamin’ny andiany fahafolo teo anivon’ny Akademia ny Jeneraly Randrianazary. Efa nanatontosa andraikitra ambony maro izy talohan’ny naha-SEG azy.
D.R