Amin’izao ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona izao dia nisy ny fizarana nofon-kenan’ny fampihavanana, izay natolotry ny Jeneraly, komandin’ny Zandarimariam-pirenena mivady ho an’ireo zandary sy mpiasa sivily miasa eo anivon’ny foibem-pibaikoan’ny Zandarimariam-pirenena na ny “Commandement”. Omby 03 miampy vary, menaka ary akoho ho entina hamalifaliana sy hiatrehana ity faran’ny taona 2013 ity no natolotry komandin’ny zandarimariam-pirenena mivady tamin’izany.
Nitsodrano ny rehetra izy tamin’ny kabary fohy nataony ny amin’ny mba hanaovan’ny tsirairay fety sambatra sy ho tratry ny taona vaovao 2014. Izao hetsika ara-tsosialy izao no natao dia ho fanamafisana hatrany ny firaisankina eo anivon’ny fianakaviam-ben’ny Zandarimariam-pirenena.
Teny amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava ihany no nanatanterahana ity lanonana ity. Marihana fa amin’ny 04 janoary izao no hanatanterahana ny lanonana fifampiarahabana noho ny taona 2014 ho an’ny Zandarimariam-pirenena rehetra.
Nangonin’I A.R.