- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena sy ny Firenena Mikambana : Hifanome tanana amin’ny fiarovana ny tontolo...

Zandarimariam-pirenena sy ny Firenena Mikambana : Hifanome tanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana

Efa anisan’ny asan’ny zandamariam-pirenena ny miady amin’ireo mpitrandraka ala tsy ara-dalana sy ireo mpanondrana ny harem-pirenentsika, saingy mbola hohamafisina amin’ny tsaratsara kokoa izay manomboka izao. Io no ventin-kevitra nivoitra nandritra ny fihaonan’ny Talen’ny kabinetran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, ny Jly Tsirivelo Nicolas, tamin’ny solontenan’ny Sampandraharahan’ny firenena mikambana miaro ny tontolo iainana sy ireo biby arovana manokana, izay mamita iraka eto amintsika, Atoa Jorge Rios, « Chief of The Global Programme for Wildlife and Forest Crime », tetsy amin’ny birao fiasàny tetsy Betongolo. « Mahatsapa mantsy ity sampandraharaha iray eo anivon’ny firenena mikambana ity fa ny Zandarimariam-pirenena no tena manana toby miely patrana  manerana ny nosy ka nofidian’izy ireo manokana  mba hiara-kiasa aminy amin’ny fiarovana ireo biby arovana sy ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny», ka nisy izay fangataham-piarahamiasa izay.  Vonona hatrany hifanome tanana ny zandary, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ambony ity. « Ary hanao izay ho afany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nohamafisiny fa efa tafiditra amin’ireo taranja hanofanana ny zandary any amin’ireo sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ny fiarovana ny tontolo iainana.»

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici