Toy ny fanaony hatramin’izay dia manantateraka fivoriana etsy amin’ny toby Ratsimandrava ireo Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy. Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy omaly, no sady nisolotena ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntasy Christian ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa. Nitarika ny fivoriana ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Jeneraly Ravalomanana Richard sy ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ary ny Jeneraly Mpandrindra ankapoben’ny asa ara-stratejika. Nandritry ny fadraisam-pitenenany dia nisaotra ny ezaka vitan’ny zandarimaria ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Nambarany fa tokony hamafisina hatrany ny firahalahiana sy ny fahaiza-manao eo amin’ny vondron-kery misahana ny fiarovana sy ny filaminana. Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia niantso ny mpiray tanindrazana mba ho tony sy tsy hanaiky ny fandrebireben’ireo te hanakorontana ny filaminam-bahoaka ny tenany. Tetsy ankilany koa dia hetitra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena raha nandray fitenenana. «Tsy misy tombontsoa ho an’ny firenena ny fikorontanana na iray aza», hoy izy. Nambarany fa tokony hajaina hatrany ny tany tan-dalàna mba ahafahana miaro ny Andrim-panjakana, ny olona sy ny fananany, «Aoka hiray hina ny Malagasy mba hiarovana ny harem-pirenena sy ny tombontsoa iraisan’ny mpiray tanindrazana rehetra », hoy ihany izy, raha nitodika manokana nampita hafatra tamin’ireo mpanao gazety tonga nasaina tamin’ity fotoana ity. Nitondra hafatra avy amin’ny Jeneraly Minisitry ny Fiarovam-pirenena ihany koa izy. Hafatra maneho ny fisaorana amin’ny firaisan-kina sy fahaiza-manao matihanina nasehon’ireo mpitandro filaminana nandritry ny hetsiky ny mpanohitra ny sabotsy 20 febroary 2021 ka matoky sy manantena hatrany ny soa-toavina sy fahamendrehan’ny Malagasy ary indrindra ny Vondron’ny mpitandro filaminana izay ampaherezina hatrany mba ho an’ny Tanindrazana.
Nampita hafatra avy amin’ny Minisitry ny Fitsarana ihany koa izy dia ny fampanajana ny tany tan-dalàna ao anaty fahamendrehana. Noho ny hamehana ara-pahasalamana moa dia tamin’ny alalan’ny « visioconference » no nanatanterahana ity fivoriana ity. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo Manamboninahitra tompon’andraikitra ambony miisa 206 manerana ny Nosy.
T.M.