Hentitra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Zoma 21 jolay 2017, izay fotoana namoahana ireo zandary efa amperinasa ka nahazo fiofanana sy nanatevina fahalalàna teto amin’ny sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena, fa mila ny fandraisana andraikitry ny zandary miaraka amin’ny fanajana ny zon’olombelona ny tranga misy, toy ny fitsaram-bahoaka. Ilaina ihany koa, hoy izy, ny fametrahana ny fiaraha-miasa amin’ny olona eny ifotony. Tsy handefitra manoloana ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo zandary ny tenany, satria tsy natao ho fialokalofan’ny jiolahy ny Zandarimariam-pirenena, hoy hatrany izy. Andiany 6 no navoaka, izay miisa 280, teto amin’ny sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena ka 7 amin’ireo no teratany vahiny. Tsy toy ny fahita isan-taona ny naseho ireo nasaina fa ny fiaraha-misakafo tamin’ny fomba Bezanozano. Nisy hatrany ny fitsofan-drano ireo andiany nivoaka nataon’ireo Ray aman-dReny ara-drazana, notarihan’ny lehibeny Rakotonirina Sylver teo Andriampamoa, toerana manan-tantara izay ao anatin’ny faritry ny sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena no misy azy, ary voafaritra hohajain’izay rehetra mandalo ao. Natao izao, hoy ny kaomandin’ny sekoly eto Moramanga, ny Jeneraly Ramananjatovo Alphonse, satria betsaka amin’ireo zandary miasa any amin’ny toerana ambanivohitra no tsy mahay sy tsy manaja ny fomba malagasy izay mbola arahin’ny olona. Tsy vitsy tamin’ireo olona nasaina no sambany vao nahita ny tena fomba Bezanozano rehefa manao fety. Ny miaramila nahazo fahalalana, ny Raiamandreny na Tangalamena afaka mampita hafatra.Nankasitraka ny fampisehoana ny fomba malagasy toy izao ny loholon’i Madagasikara Virginie Razafimandroso.
Cathy