- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Vonona hanaraka ny lalàna miaro ny zon’olombelona

Zandarimariam-pirenena : Vonona hanaraka ny lalàna miaro ny zon’olombelona

Eo anoloan’ireo tranga maro, voalaza fa fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ataon’ireo mpitandro filaminana sasantsany dia fantatra izao fa tsy ho anisan’izany intsony ny zandarimariam-pirenena. Tontosa omaly teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny fanaovan-tsonia ny fifanekena hanaja ny zon’olombelona eo amin’ny fanantaterahana ny asany, ny teo anivon’ny zandary, izay notarihan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, eo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Paza Didier, notronin’ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy niaraka tamin’ireo mpanolo-tsaina ambony eo anivon’ny PNUD. Tao anatin’izany no nilazan’ity laharana voalohany eo amin’ny Zandarimariam-pirenena ity fa vonona hatrany ny zandary hanaraka ny lalàna miaro ny zon’olombelona. Ary tsy vao izao io akory fa efa niantomboka hatrany amin’ireo mpianatra ho zandary. Etsy andanin’izay dia nilaza ireo solontenan’ny PNUD fa hisy ny famatsiana fitaovana sy fanampiana amin’ny lafiny hafa, entina hanatratrarana io tanjona napetraky ny zandarimaria io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser