
Tena henjana ny ditran’ny tanora amin’izao fotoana izao eto Toamasina, raha ny fanazavana avy amin’ny zandary dia 20 eo ireo tanora maditra no nahiditra am-ponja amin’izao. Raha ny omaly dia tanora manodidina ny 12 taona hatramin’ny 17 taona no voasambotry ny zandary tao Tanamakoa tao anaty trano fisotroana zava-tsy fantatra. Raha ny fanazavana dia vao manomboka amin’ny 04ora dia tanora 100 mahery no mameno ity toeram-pisotroana zava-tsy fantatra ity, nefa saika mbola mpianatra ao Lycée Jacques Rabemananjara – Kantizaza – CEG Ratsimilaho – … sy ny hafa ireto tanora ireto. Nisy ny fananarana sy ny fakana ny momba momba azy ireo nataony zandary omaly tao amin’ny vondrompileovan’ny Zandary Toamasina. Ilay toeram-pisotroana sy ny tompony kosa miandry ny fitiliana ataon’ny fanjakana, ka arakaraka izay ny saziny fa efa mandray andraikitra momba izany prefektioran’i Toamasina. Taoriana izay rehetra dia nalefa nody namonjy ny ray aman-dreniny ireto tanora 60 voasambotra ireto. Ankilan’izany dia voasambotra ihany koa ireo mpitarika ny fikambanana miafina “Gool Den Team” dia ingahy isany Ti-Teuf sy Dino ary olona iray tafara-dalana tamin’izy ireo. Hatreto aloha dia eo am-panadidiana momba ity raharaha ity ny zandary, satria raha ny vaovao azo hatreto dia mifamahofaho izany ka mila hamarinina tsara. Raha ny fanazavana dia ireo tovovavy telo mpianatry ny CEG Ratsimilaho tsy hita nanomboka ny 28 febroary no niaingany ny fanadiadiana rehetra izay hita ny 31 marsa teo, ka nahasamborana azy telo lahy ireto. Raha ny fanazavana tamin’ny “facebook” dia fikambanana tanora mpametaveta tovovavy mbola virijiny ny fikambanana, ka eo no hipetrahan’ny fanadiadiana rehetra amin’izao. Ho hita eo ny tohiny…
Malala Didier