Tokony ho tamin’ny 2 ora marainan’ny sabotsy, raha hody avy namonjy trano fandihizana iray tao Androranga ity zandary miasa eto Toamasina, izay tsy nanao ny fanamiana maha-zandary azy, dia notsenain’ireto andian-jiolahy teo amin’ny làlana Manangareza; maizina ny lalana noho ny tsy fisian’ireo jiro manazava azy. Tsy nisy resaka, fa vao nandalo ity zandary miasa eto Toamasina ity; izay nitondra “moto Scooter” nandritra izany, dia voafira antsy ny lohany ka avy hatrany dia nidaraboka tamin’ny arabe. Tsy niandry ela koa ireo andian-jiolahy namira sabatra azy ireto, fa naka ny môtô-ny ary nitondra izany avy hatrany nitsoaka. Na nisy nahita aza ireo mpamily fiara vaventy manodidina ity nitrangan’ny fanafihana ity zandary ity, dia tsy nisy afaka nanao na inona na inona izy ireo, fa nitazam-potsiny, noho ny tahotry ny valifaty hanjo azy ireo, satria mazana miantsona sy mivezivezy eo amin’ity faritra nitrangan’ny fanafihana ity izy ireo. Miatrika fitsaboana azy eo anivon’ny hopitaly be ity zandary voafira sabatra tamin’ny lohany ity, koa na mafy aza ny fahavoazana nahazo azy, dia tsy hatahorana ny ainy, hoy ny mpitsabo misahana ny fitsaboana. Ho an’ny mpitandro ny filaminana anefa, dia tafiditra amin’ny faritra mena ny toerana nitrangan’ity fanafihana zandary ity, ka tafiditra amin’ny fanaraha-maso mafy fanaon’izy ireo ho filaminam-bahoaka.
Malala Didier