Nahazoam-bokatra ny zandarimariam-pirenena borigady “territorale” Brickaville. Moto halatra tamin’ny orinasa iray tao an-toerana no sarona tamin’izany, raha nafenina tao amina trano iray tany an-toerana izany. vokatry ny fahaizan’ny zandary tany an-toerana sy ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny olona teo an-tanana no nahitana ny vokatra. Voalaza fa moto marika “Honda” 125ACE 6DK ity moto sarona ity, tratra hatramin’ireo nangalatra azy, raha saika hamidy raha nahita mpividy ilay moto. Araka ny fanazava’ireo vavolombelona tao Brickaville dia toa ireny manao horonantsary ireny no nataon’ny zandary nahita ilay moto sy ireo nangalatra izany. Raha natao tokoa ny fisavana dia tratra tamin’ity trano nitehirizana azy ilay moto ka tsy afa-niala ireo mpangalatra. Avy hatrany dia nentin’ny zandary teny amin’ny biraon’ny borigady ilay tratra hiatrika ny fakana am-bavany azy noho ratsy vitany. Miandry ny fakana am-bavany vita dia hisy ny fitondrana azy eo anivon’ny fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina renivohitra, mba hahalalana ny sazy savaranonando ho azony amin’ny fitsarana, na voahazona am-ponja na ny famotsorana azy.
Malala Didier


