- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversZandary lavitry ny tanan-dehibe : Misy ireo mitady hivaoana amin’ny asany

Zandary lavitry ny tanan-dehibe : Misy ireo mitady hivaoana amin’ny asany

Hitam-poko, hitam-pirenena ! Misy amin’ireo zandary sasantsany any amin’ireo faritra lavitra andriana sy ambanivohitra no mihoa-pefy sy lasa manao ny mifanohitra amin’ny asany. Any amin’ireo ambanivohitra sasantsany tokoa mantsy, dia misy ny hoe zandary vao mpiana-draharaha kanefa efa miseho azy ho inona sy manao tsindry hazo lena amin’ireo be lamba. Hentitra dia hentitra ny Jly Paza Didier, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, nandritra ny fivoriany niarahany tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teo anivon’ny zandary, ny alarobia lasa teo. Mila tsidihana ireny toerana ireny ary tsy handefitra amin’ireo izay mpihoatra vala ny tenany. Ho hentitra sy hihamafy ny fitazaina ary hasiam-panovana ihany koa ny fanofanana eny amin’ireo sekolin’ny zandary, raha ny fanazavana azo hatrany. Nambarany ihany koa fa tsy tokony hianona fotsiny amin’ny tatitra azo ny zandary fa mila manadihady ireo fokonolona hialàna amin’ny vavao tsy marina. Narafitra tamin’ity fivoriana ity ihany koa ny tetikady hiadiana amin’ny kolikoly sy ny tsi- fandriampahalemana, indrindra ny resaka fanakan-dalana eny amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny. Izany rehetra izany no atao dia mba hametrahana ny fahamendrehana sy ny fangaraharana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary hisian’ny vokatra mivaingana araka ny baikon’ny praiministra. Ny irarian’ny rehetra dia tena mba hisy vokany tokoa anie izany, mba hiverenan’ny fahatokisan’ny fokonolona an’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser