Ny sabotsy lasa teo no tonga soa aman-tsara tany amin’ny tany niaviany, tany Ambilobe, ny nofo mangatsiakan’ilay zandary kilasy voalohany, maty voatifitry ny dahalo tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. « Tao anaty alahelo tokoa no nanatontosàna ny fanaovam-beloma sy fampakarana laharam-boninahitra an’ i Tompokolahy G1C AMBY Noé Cyris, tao Ambilobe ». Nitarika ny fotoana tamin’izany ny Lefitry ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny Jly André Randriamanesy, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony maromaro teo anivon’ny zandary, notronin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila tany an-toerana. Raha tsiahivina dia maty voatifitry ny jiolahy tany Andranomihatra Ambatomanoina i G1C Amby ny andron’ny 24 desambra 2019 rahefa nanao fisafoana sy fampandrian-tany.
m.L