- Publicité -
jeudi, décembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZandary miasa ivelan’ny minisitera mpiahy : Sata miaramila no mifehy azy ireo...

Zandary miasa ivelan’ny minisitera mpiahy : Sata miaramila no mifehy azy ireo hoy ny tompon’andraikitra

Ireo solon-tenan’ireo Andrimpanjakana sy minisitera tonga namaly ny antso.

« Tsy tokony hisy mihitsy fifangaroan’asa na ihany koa fampiasana ireo zandary, izay miasa ivelan’ny zandarimariam-pirenena ireo tsy ara-drariny, satria sata miaramila no mifehy azy ireo, fa tsy sata amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo ». Io no tsindrim-peo manokana nentin’ny Tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ny zandamariam-pirenena, ny Jeneraly Tsirivelo Nicolas, talen’ny kabinetra eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ; izay nivory niaraka tamin’ireo solon-tenan’ireo Andrimpanjakana sy minisitera ary Departemanta isan-tsokajiny avy mampiasa zandary. Fivoriana izay notontosaina tetsy amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy tetsy Betongolo, omaly. Ambonin’izay tsindrim-peo manokana izay tokoa, dia isan’ny niompanan’ny fivoriana ny fampahafantarana sy famoaboasana ireo lalàna manan-kery mikasika ny fampiasana zandary ivelan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Zandamariam-pirenena. Izany rehetra izany no natao , dia mba ho fanatsarana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta. Samy nankasitraka izany avokoa moa, ary indrindra ilay fihaonana ireo solon-tena tonga tao. « Teo am-pamaranana, dia nitondra ny teny fisaorana sy fankatelemana ho an’ireo rehetra tonga  namaly ny antso, ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici