- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversZandary naratra tany Namorona : Novonjena nafenina tao ambadiky ny fasana

Zandary naratra tany Namorona : Novonjena nafenina tao ambadiky ny fasana

Fantatra hatreto fa raha tsy nisy olona tsara sitra-po nanampy dia efa aina roa no nafoy tamin’ilay savorovoro tany Namorona, Mananjary. Fantatra mantsy fa efa tsy nihetsika intsony ary noheverin’ireo mpamono fa efa namoy ny ainy, toa an’ilay lehibeny, ny zandary kilasy voalohany antsoina hoe Lama. Olona no nanavotra ny ainy avy eo, rehefa avy nafenina tao ambadiky ny fasana ny tenany. Nalefa tanaty tranon’akoho ary izay vao nentina tany amin’ny toeram-pitsaboan-dry masera, tao Ampasimanjeva. Raha tsy izay dia mety ho efa ny ain’ity mpitandro filaminana ity ihany koa no nafoy. Amin’izao fotoana izao dia efa an-dalam-pahasitranana saingy mbola « manonofy ratsy » tamin’ilay zavatra nihatra taminy ny tenany, raha ny fampitam-baovao azo. Tetsy andanin’izay, fantatra ihany koa fa efa voalevina soa aman-tsara any an-tanindrazany ny GP2 Fanambina, ilay « chéf de poste » lavo teo am-panantanterahana ny asany. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika ity raharaha ity moa ireo mpanao fanadihadiana hatreto. Tsiahivina fa mbola  misy olona karohina amin’izao fotoana izao, izay voalaza fa isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny famonoana ireo zandary roalahy tany an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici