- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversZandary naratra tao anaty fifandonana : Nampiakarina taty an-drenivohitra tamin’ny alalan’ny angidim-by

Zandary naratra tao anaty fifandonana : Nampiakarina taty an-drenivohitra tamin’ny alalan’ny angidim-by

Ny sabotsy maraina teo no nigadona tetsy amin’ny kianjan’i Betongolo ny angidim-by nitondra ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Manja, izay naratra vokatry ny fifandonana tamin’ireo andian-dahalo. Tonga teny an-toerana nitsena azy ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny zandarimariam-pirenenana, ny Kaomandin’ny zandary, ny Jly Andry Rakotondrazaka niaraka tamin’ny Talen’ny kabinetran’ny SEG, ny Jly Jean Manasse. Tazana nankahery ity manamboninahitra ity ihany koa ny raiamandreny mpiahy ny andiany indray nihira nisy azy, dia ny Jly Richard Ravalomanana. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina avy hatrany nihazo ny hôpitaly miaramila tetsy Soavinandriana ity kapiteny naratra mafy ity, ho amin’ny fitsaboana azy. Marihina fa raisin’ny eo anivon’ny zandarimaria an-tanana avokoa moa ny fikarakarana ny fitsaboana rehetra. Ankoatra izay dia fantatra fa nanolotra fanampiana ho azy amin’ny fikarakarana ny kaomandin’ny zandary.

Tsiahivina fa ny alakamisy lasa teo no nitranga ity fifandonana mahery vaika tamin’ny dahalo, efa ho manodidina ny 200 isa ity tao Soatanimbary, fokontany Tsinjorano, kaominina Ambia, any amin’iny distrikan’i Mahabo, izay nahavoa ity manamboninahitra ity. Zandary iray hafa, teo ambany fibaikony ihany koa no lavo teo am-panatanterahana ny asany tamin’izay fotoana izay. “Ny zandarimariam-pirenena dia manantanteraka ny adidy sy ny andraikiny mandrakariva ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici