« Efa tsy dia nilamina ara-tsaina loatra izy, ary somary mampitahotra izay ny miaraka aminy. Kanefa izy dia mahavita an-tsakany sy andavany ny asany foana », araka ny nambaran’ny olona iray, mipetraka any amin’iny kaominina Betatao iny, mahafantatra tsara ity zandary nitifi-tena ity, ny talata lasa teo tany an-toerana. Ny teo anivon’ny zandary moa dia nilaza mazava tao anatin’ny fampitam-baovaony fa « manana olana mianjady aminy eo amin’ny lafiny ara-panambadiana ity farany ity ary efa tena ela izany no nikiky azy ». Marihana fa manan-janaka roa, vavikely fito taona sy lahikely valo volana, izay samy mipetraka amin’ny reniny aty an-drenivohitra ity. Tamin’io alatsinainy io dia heverina fa tsy zakany intsony ny zava-nitranga ka izao niafara tamin’ny famonoany tena izao.
Ny zava-nitranga. Hiaraha-mahalala ny somary firongatry ny tsy fandriampahelamana tany amin’iny distrika Anjozorobe iny, ary vao ny marain’io no nisy fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny dahalo, tao amin’io kaominina Betatao io. Tamin’io fotoana io araka izany, niomana ny hanao fisafoana amin’ny atoandro ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Betatao, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina tany. Nomena basy « kalach » araka izany izy ireo, ary anisan’ny nahazo izany ity zandary iray ity. Alohan’ny handehanana dia samy nanao izay asa nosahaniny avokoa ny rehetra. Ity farany kosa nihazo irery ny efitrano fakan’aina tao amin’ny toby. Ny poa-basy nanakoako, niainga avy tao amin’izany efitra izany no nanaitra ny rehetra. Indrisy moa fa izy efa mitsarara anaty rà mandriaka no hitan’ireo namany. Tsy nisy aina intsony. Ny basy nomena azy no nitifirany ny tenany. Niditra teo amin’ny vavany ny bala ary nivoaka tao an-tampon-dohany. Efa tonga tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ny kaomandin’ny tobim-paritry Anjozorobe, niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana any an-toerana.
m.L