Miatrika fanadihadiana lalina amin’izao fotoana izao ilay zandary nitifitra « taxi-brousse » ka nahafaty olona iray tany Antsirabe ny faran’ny herinandro lasa teo, izay mbola tazomina any amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana. Fantatra ary, fa naverina omaly ny zava-nitranga tamin’io marainan’ny sabotsy io. Isan’ny fenitra arahina moa izany ao anatin’ny fanadihadiana, ahafantarana marina ny tena zava-niseho. Araka ny loharanom-baovao azo dia mety ho anio no hatolotra ny Fampanoavana ity mpitandro filaminana ity fa miandry fotsiny ny maha-afaka ireo tompo-manjo tao anatin’ity raharaha ity, hanatrika izany. Tsara homarihana fa tsy ity mpitandro filaminana nitifitra ity ihany akory no hatao fanadihadiana fa ilay mpamily ny fiara ihany koa. Hatreto dia mbola mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaha, ny antony nandosiran’ilay mpamily sy ny antony nitifiran’ilay zandary. “Misy lalàna mifehy ny fampiasàna basy ho an’ireo mpitandro filaminana. Tsy azo atao ny mampiasa izany, raha tsy misy tranga manokana na baiko azo”, hoy ny fanazavàna azo. Hatreto anefa dia toa manjavozavo be ihany ny zava-nitranga tamin’io maraina vao mangiran-dratsy io. Saingy na inona fiarovan-tenan’ilay nitifitra na ny an’ilay mpamily tsy nety nanaraka ny tenin’ilay mpitandro filaminana am-perinasa, ny hany azo antoka aloha dia nisy olona namoy ny ainy tao anatiny. Ka tsy maintsy miandry azy ireo (na ny iray) ny fonja.
m.L