- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Zandary sy jiolahy nifampitifitra, telo no maty

Ambohimangakely : Zandary sy jiolahy nifampitifitra, telo no maty

Telo no lavon’ny zandary tao anatin’ny haizina

Nandriaka ny rà. Nifampitifitra ny zandary sy ny olon-dratsy. Avy nanafika ireo jiolahy ny alin’ny alatsinainy teo ary efa handefa hifaly no tsy nampoizin’ireo fa efa nahazo vaovao momba azy ireo ny zandary. Teo am-pandalovana eo Ambohibary, fokontany iray eo Ambohimangakely no raikitra ny fifanjevoana. Nandritry ny adiny telo no nifanehatra ny roa tonta. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina, raha hihazo ny toerana fierena, teo amin’ny toerana antsoina hoe Tsitiamainty (làlana izay mihazo an’I Mahazo) no lavo ny telo tamin’ny jiolahy. Basim-borona calibre 12 sy bala efatra no sarona niaraka tamin’ireo. Hita teny an-toerana koa ny bala efa nipoaka maromaro sy sabatra ary zava-maranitra samihafa. Nifanohana ny zandary avy ao Ambohimangakely, Ambohimalaza ary koa Soamanandrariny tamin’ity fidinana an-tsehatra ity. Notarihan’ny manamboninahitra roa avy eto an-drenivohitra izay eo anivn’ny vondron-tobim-paritry ny zandary eto Antananarivo-Renivohitra ny fibaikoana. Mbola nisy ambiny tamin’ireo jiolahy ary tafatsoaka tao anatin’ny haizina. Midika izany fa mbola mitohy ny fanadihadiana izay mizotra amin’ny fikarohana ny mpikambana ao anatin’ity tambajotran-jiolahy izay voaporofo fa nampihorohoro an’I Manjakandriana, Carion, Fieferena, Ambohimalaza, Ambohimangakely, Ankadikely sy Ilafy. Ireo no tena tsidihan’izy ireo matetika ary mitam-basy hatrany amin’ny fanatontosana ny asaratsy. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ireo razana telo ary miandry ny hangalàn’ny fianakaviany azy. Nahomby ny fifanomezan-tànana nataon’ny zandary tamin’ity tranga ity. Samy nanidy ny kizo fieren’ny jiolahy mantsy ireo raha vao nandeha ny fiampiantsoana. Tampi-dalan-kaleha arak’izany ireo olon-dratsy satria voahodidina tanteraka ny làlanan tokony hitsoahan’izy ireo. Na izany aza mbola namaly tifitra ihany ary tsy nanaiky mora foana hany ka niafara tamin’ny fahafatesan’izy ireo izany.   

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici