- Publicité SW45 -
mardi, mars 11, 2025
AccueilÀ lireZandary sy polisy voatifitra, hita tao anaty rano ny fatiny

Zandary sy polisy voatifitra, hita tao anaty rano ny fatiny

MANJA. Mbola mitohy ny fikarohana ireo malaso hatran’izao.

Rehefa nokarohana nandritra ny andro vitsivitsy, dia hita tao anaty lakan-dranon’i Tandrano, kilometatra vitsivitsy miala ny tananan’i Manja ny vatana mangatsiakan’ilay zandary iray sy polisy iray tsy hita popoka nandritra ny fifandonana tamin’ireo malaso 80 lahy ny 9 novambra lasa teo tany Manja. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana dia navalany rano ny vatana mangatsiakan’izy mirahalahy ireto, ka tany amin’io faritra io vao hita. Mbola hita teny amin’izy ireo kosa anefa ny basy sy ny fitaovam-piadiana ary ny entana nentiny. Rehefa nanao fizahana ny mpitsabo dia hita fa voatifitra ireto mpitandro filaminana ireto, ary basim-borona no nampiasain’ireo namono azy. Fantatra fa zandary mitondra ny gradina “gendarme principal de 2ème classe (GP2)” ny iray ary polisy “brigadier en chef” kosa ny faharoa, ary samy miasa any an-toerana avokoa ry zareo ireo ary samy voatendry tamin’ity asa fikarohana ireo mpangalatr’omby ity. Taorian’ny fizahana ifotony natao  dia nalefa avy hatrany any Manja ny vatana mangatsiakan’ireo mpitandro filaminana ireo.

Raha tsiahivina dia nitrangana halatr’omby tany an-toerana ny 4 novambra lasa teo. Omby  200 tany ho any no lasan’ny malaso  80 lahy ary mirongo basy. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana izay nahitana miaramila, polisy ary zandary. Hitan’izy ireo tao amina kizo iray fanafenan’ny dahalo omby ny 41 tamin’ireo very. Nizara roa avy eo ireo mpitandro filaminana ka ny ampahany voalohany nitondra ny omby niverina an-tanàna ary ny ambiny kosa nanohy ny fikarohana ireo dahalo. Tamin’izay indrindra anefa no nanararaotan’ireo malaso nanafihana ireo mpitandro filaminana nitondra ny omby niverina, izay efa vitsy an’isa. Raikitra ny fifanjevoana ka tsy hita popoka ireo mpitandro filaminana roalahy ireo. Efa andro vitsy taty aoriana vao izao hita faty tany amin’ny lakan-dranon’i Tandrano izao. Hatramin’izao dia mbola mitohy ny « opération » ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana, ary efa nisy ihany koa miaramila maromaro nalefa hanampy azy ireo mba hamongorana hatramin’ny fotony ity asan-dahalo mampijaly ny vahoaka any an-toerana ity.

 

Aina R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser