Natao teo amin’ny araben’ny fahaleovantenan’i Toamasina ny famindram-pitantanana teo amin’ny komandin’ny fari-piadidian’ny Zandary Toamasina, teo amin’ny Kolonely Rabemanantsoa Josh izay vaovao sy ny nosoloiny ny Kolonely Justin Hari Manantsoa. Niatrika ny famindram-pitantanana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny Jly Ravalomanana Richard sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny komandy vaovao vao napetraka, ny Kly Rabemanantsoa Josh izay 50 taona manam-pahaizana amin’ny fifandraisana, dia tao anatin’ny andia faha-21-n’ny Akademia Miaramila Malagasy; ny Kly Justin Hari Manantsoa kosa dia tao anatin’ny andia faha-19. Ny tanjona ho an’ny komandin’ny fari-pididian’ny zandary Toamasina vaovao, dia ny fampanajana ny lalàna eo anivon’ny zandary, sy ny fametrahana ny filaminam-bahoaka, ary ny ho an’ny tanindrazana marina izay filamatry ny zandary Malagasy. Nandritra ny lahatenin’ny sekreram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard, no nilazany, fa tsy toerana fiafenan’ireo zandary jiolahy sy mpiray tendro amin’ny jiolahy ary zandary raindahany amin’ny kolikoly ny zandarimariam-pirenena Malagasy. Izay no nahatonga ny fanagadrana ireo zandary 86 ny taona 2019, sy ireo zandary 06 tamin’ity taona ity, satria nandika lalàna mifehy ny zandarimariam-pirenena ireo olombelony ireo. Nohamafisin’ny Jly Ravalomanana Richard, fa mbola vonona ny hampiditra ireo zandary mpandika lalana sy mpiray tendro amin’ny jiolahy ary mpanao kolikoly maharatsy endrika ny zandary Malagasy ny fianakaviam-ben’ny zandarimariam-pirenena raha mbola hisy ireo zandary mpandika lalàna, ka nanaovany antso avo ho an’ireo zandary eo ambany fifehezany ny fanajana ny lalàna velona sy ny fitsipi-pifehezana misy ny tsirairay. Ankilan’izany ny baiko nomen’ny Jly Ravalomanana Richard ho an’ny ireo olombelony sy ny Emmo-Sécurité Toamasina, amin’ny fiarovana ny Malagasy noho ity valan’aretina “coronavirus” ity amin’ny fiarovana akaiky ny sisin-tany Malagasy tahaka ny seranan-tsambo.
Ankoatra izay, dia nasian’ny Jly Ravalomanana Richard teny ihany koa ireo zandary maty am-perinasa 06 tamin’ity taona ity, aoka tsy hisy intsony izany amin’ny fampitomboana ny traikefan’ny zandray sy ny fitandreman’izy ireo, indrindra ireo manao iraka manokana mifehy ireo zandary. Ny tanjona mantsy, dia ireo olon-dratsy sy ireo zandary jiolahy indray no hatahotra ny zandary, fa tsy ny zandary no hatahotra azy ireo.
Malala Didier